Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-11

18 Be àry no mirehareha araka ny nofo, ka dia mba hirehareha koa aho; 21 Menatra aho no milaza, fa izahay no nalemy. Izay sahin'ny olona anefa, miteny toy ny adala aho, dia mba sahiko koa. 22 Hebrio va izy ireo? izaho koa; Israelita va izy? izaho koa; taranak'i Abrahama va izy? izaho koa; 23 mpandraharahan'ny Kristy va izy? hiteny toy ny olona very saina aho, eny, mihoatra noho izy aho amin'izany, dia amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina manan-tombo, amin'ny kapoka manan-tombo lavitra, amin'ny fahafatesana matetika. 24 Indimy aho, nokapohin'ny Jody inefa-polo latsaka iray avy; 25 intelo nokapohina rotsa-kazo; indray maka, notoraham-bato; intelo, vaky sambo; indray andro sy indray alina, tao an-davaka lalina. 26 Tany am-pivahiniana imbetsaka, matetika no saiky nidiran-doza, dia loza tamin'ny ony, loza tamin'ny jiolahy, loza tamin'ny iray firenena amiko, loza tamin'ny jentily, loza tao an-tanàna, loza tany an'efitra, loza tany amin'ny ranomasina, loza tamin'ny rahalahy sandoka; 27 tamin'ny famonoan-tena sy fikelezana aina, tamin'ny fiaretan-tory matetika, tamin'ny hanoanana aman-ketaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka amam-pitanjahana. 28 Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin'izany, eo koa ny fiahiana isan'andro sy ny fikarakarana ny Eglizy rehetra. 29 Iza no malemy ka tsy malemy koa aho? zovy no tafintohina ka tsy mirehitra koa aho? 30 Raha mety ny mirehareha, dia ny amin'ny halemeko no hataoko rehareha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0651